I Amaleka dia lehilahy iray voalazan' ny Baiboly fa zanak' i Elifaza sy zafikelin' i Esao, araka ny hita ao aminan' ny Bokin' ny Tantara. Lohan' ny fokom-pirenenana edômita atao hoe Amalekita (na Amalesita) izy. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe עֲמָלֵק / Amalek izy.

Fanehoana an-tsary avy amin' ny Collection Phillip Medhurst mampiseho an' i Jôsoa miady amin' ny Amalekita (Eksôdôsy 17).

I Timna no anaran-dreniny izay anabavin' i Lotàna avy amin' ny fokon' ny Horita (na Horeana) izay nanan-tany fonenana nikambana tamin' i Edôma. Ao amin' ny Bokin' ny Eksôdôsy dia voatantara fa nanafika ny Zanak' i Israely (izay vao avy nivoaka an' i Egipta) tsy amin' antony ny Amalekita. Nandresy ny Amalekita rehefa nidina ny tanan' i Mosesy (na Môizy) izay nitazona tehina, fa ny Israelita notarihin' i Jôsoa (na Jôsoe) kosa no nandresy rehefa nakarina ny tanan' i Mosesy izay notazomin' i Hora sy i Aarôna.

Ny taranak' i Amaleka

hanova

Araka ny Bokin' ny Eksôdôsy dia i Amaleka no filoha mpitarika ny Amalekita izay foko mpivezivezy nanafika ny Hebreo tao amin' ny tany efitr' i Sinay (na Sinaia) raha vantany vao nivoaka an' i Egipta ny Hebreo.

Ao amin' ny Boky voalohan' i Samoela dia notsimbinin' ny mpanjaka Saoly (na Saola) ka tsy novonoina i Agaga taorian' ny fandripahana ny Amalekita rehetra, ka izany dia fanitsakitsahana ny didin' Andriamanitra nampilazaina ny mpaminany Samoela. Izany hadisoana izany dia niteraka ny faharavan' ny fanjakan' i Saoly.

Ao amin' ny Bokin' i Estera, ny Jiosy natao sesitany tamin' ny andron' ny fahababoana tany Babilôna dia niaritra ny fandripahana nataon' i Hamàna zanak' i Hamedata, taranak' i Agaga, mpanjakan' ny Amalekita.

Araka ny jodaisma dia ny Amalekita no môdely amin' ny fahavalon' ny Jiosy. Misy ny mihevitra fa taranak' i Amaleka i Hitler, ary anisan' izany koa ny olona maro tsy tia Jiosy ka maniry mandrakariva ny handripaka ny vahoaka jiosy.

Jereo koa

hanova